Tianao ve ny hiaina fiainana miavaka misy antony ( misy fotony) @ 2008 ?
Hanampy anao Andriamanitra mba hanao zavatra hiavaka eo @ tontolony.Fantatrao ve fa ny fanoloranao ny fiainanao no zava-dehibe fa tsy ny faharetan’ny andro hiainanao”. Tena tianao ve mba hiavaka ny fiainanao @ ity taona 2008 vaovao ity? Manomboha ary manokana fotoana, manokana vola... (investissement) mba hampisehoana @ olona “ahoana no ahafahan’izy ireo mba hiavana @ Andriamanitra”. Izany no tena investissement izay hiavaka, tsy mandritra ny taona fohy 5 na 10 na koa 1000 taona fa hiavaka mandrakizay Raha ny marina, tsy misy zavatra tena misy antony na dikany azonao atao mba hampiavaka ny fiainanao.Tsy dia misy antony na dikany ny fampiasanao ny fotoananao sy ny ressources eo am-pelatananao raha tsy hanampy ny olona @ fampahafantarana an’I Jesosy.Raha manampy olona hianao na dia iray ihany aza hiditra ny lanitra, ny fiainanao dia tena hisy antony sy dikany mandrakizay. Miantso anao ary Andriamanitra @ ity taona 2008 ity mba hanolotra ny fiainanao hianao @ zvtra misy antony sy dikany ary goavana kokoa noho ny hoe mivelona ho anao irery. Ho fanampiana anao ary :1-/ Hanontanio Andriamanitra ny @ izay omenao @ fiainanao?, inona no ilainy atolotrao @ izay taona sisa hiainanao. 2-/ Minoa an’Andriamanitra fa ilainy ny mampiasa anao. Afaka hanova ny tontolo manodidina anao hianao, olona iray @ fotoany. 3-/ Fanontaniana tokony heverinao:Inona no ilaina tokony hiova eo @ fiainako? Dia manomboha ary miaina ny fiainana misy antony ho an’Andriamanitra.Izany no fiainana tena mahafinaritra indrindra. Ho hitanao fa Hiaro anao Andriamanitra, ary hikarakara anao Izy.Hombanao anie ny Tompo! Mat.25:21 “ Hoy ny Tompo taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky... midira amin’ny fifalian’ny Tomponao”